- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : "Maçons" voafira antsy : tapa-tànana, goaka maso

Toamasina : « Maçons » voafira antsy : tapa-tànana, goaka maso

Ny ain’izy ireo sisa no tsy nanaraka. Mpanao trano no asan’izy roa lahy ary samy mpiavy. Tonga tany Marozavavy-Brickaville rehefa nahita karama mifandraika amin’ny asa. Ny faran’ny herinandro, noho ny antony tsy fantatra, dia nisy olona niaraka tamin’ny antsy lava nanafika ireo tanora roa ary tena nifofo ny ainy. Porofon’izany, tapaka ary niala tanteraka ny tanan’ilay iray voalohany raha goaka maso sy naratra be teo amin’ny hatoka ilay faharoa. Tsy nahatsiaro tena intsony ireo farany noho ny ratra nahazo azy. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra olona roa mihosin-drà sy tsy mahatsiaro tena ary nanao izay ho afany tamin’ny fitaterana teny amin’ny toeram-pitsaboana tao Brickaville. Natao ny fanavotana aina kanefa noho ny naha-sarotra ny fitsaboana noho ny fahavoazana mafy dia tsy maintsy nampiakarina tany Toamasina ary nampidirina hopitaly. Tao indray dia mbola olona tsara sitra-po no niantoka. Saingy voafetra ihany ny enti-manana ka dia nivoaka ny hopitaly izy roa lahy, enina andro taorian’ny fitsaboana. Vao mba afaka ny nitsangana sy nivoaka ny toeram-pitsaboana dia efa olana indray noho ny tsy fisian’ny vola am-paosy. Tena tsy nisy satria lasan’ireo olon-dratsy niaraka tamin’ny finday fampiasan’ireo ny vola kely. Nirenireny an-tanàna niaraka amin’ny tanana tapaka sy maso goaka izy roa lahy izay very hevitra tanteraka amin’ny fiainany. Ny tena mba tanjony dia ny hody any amin’ny tany niaviany, antsoina hoe Masomeloka. Raha ny vaovao azo farany dia tonga tany amin’ny fiadidiana ny tanàna ny vaovao mampalahelo. Teo no nisy fandraisana andraikitra ary naverina notohizana ny fitsaboana, niantohana ny sakafo sy ny fampiantranoana ireo marary. Fantatra koa fa rehefa vita ny fitsaboana dia iantohana ny fampodiana azy roa lahy. Endrika fanampiana izay midika ho fanavotana aina izay azon’ny olomboafidy sasany tahafina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici