Tranom-barotra telo karazana no notetezin’ny efa-dahy mitam-basy sy mandeha scooter. “Bande des 4” avy hatrany no niantsoan’ny olona azy ireo, noho ny isany sy ny fampihorohoroany. Tao Mangarano II ny harivan’ny alatsinainy, tao anatin’ny delestazy, no nisian’ny fanafihana voalohany. Vola tao anaty baoritra no nobatain’ireo olon-dratsy. Ny tranga faharoa sy fahatelo indray dia ny niseho omaly antoandro teo amin’ny bazaribe. Karàna no tompon’ilay toeram-pivarotana, ka ny vola maty tao sy ny findain’ny mpivarotra no lasa. Mitovy hatrany ny fanaon’ireo olon-dratsy : ny sasany mody miambina moto aty ivelany ary ny ambiny miditra mandroba ao anatin’ny toerana hatao lasibatra.
D.R