- Publicité -
samedi, juillet 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Maty ilay mpivarotra avy any Foulpointe notifirin’ny jiolahy

Toamasina : Maty ilay mpivarotra avy any Foulpointe notifirin’ny jiolahy

Ny zandary mampiseho ny bala nampiasain’ny jiolahy

Nifanesisesy ny fanafihan-jiolahy teto Toamasina tato ho ato izay, taorian’ilay tranga niseho tao Bazary be farany teo, dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana PA indray tao Tanambao V amin’ny lalana fiangonana Fo masin’i Jesoa iny, ny alatsinainy maraina teo tokony tamin’ny 7 ora. Raha ny fanazavana dia tamin’ny 3 ora maraina no niala tany Mahavelona Foulpointe  Randriamanana Tsiriry Joel, 39 taona, nikasa ny hividy entana eto Toamasina noho izy mpandraharaha sy mpivarotra any an-toerana, niaraka tamin’ny fiara manokany. Noho ny olana tamin’ity fiara anefa dia nentina tamina garazy iray tao Tanambao V hamboarina, ka nandray posy ilay raim-pianakaviana hividy ny entana ilainy any Mahavelona Foulpointe. Teo akaikin’ny fiangonana Fo masin’i Jesoa Tanambao V, tsy lavitra ny bazary kely, anefa dia nisy andian-jiolahy telo nitaingina moto roa izay roa lahy sy iray vehivavy nanakana azy sy avy hatrany dia nanambana basy PA azy ary nisintona ilay sakosy nisy ny vola hividianany ny entana ilainy. Nifampisintonana ilay sakosy nisy ny vola noho fiarovan’i Joel ny fananany, saingy tsy nanaiky izany koa ireto andian-jiolahy ka avy hatrany dia nitifitra azy, ka nahavoa azy teo amin’ny kibony havanana tsy lavitra ny tratra. Lasan’ireto andian-jiolahy telo nitondra moto roa ilay sakosy nisy ny vola 26.600.000 ariary. Avy hatrany kosa dia nentina teny amin’ny hopitaly be hiatrika ny fitsaboana azy ilay raim-pianakaviana, saingy tsy tana intsony ny ainy noho fahaverezan-drà be loatra sy ny fahavoazan’ny tsinainy noho ny tifitra nahazo azy. Namela kamboty telo sy mananontena i Joel tamin’izao fahafatesany izao. Ankoatra izay dia isan’ny ahiahin’ny fianakaviny maty tamin’izao raharaha fanafihana nitranga tao Tanambao V izao ny mpamily nitondra azy avy any Mahavelona Foulpointe. Nahagaga mantsy ny nahalalan’ity mpamily ity vola tao anatin’ny sakosy entin’ny mpampiasa azy izay nambarany fa mitentina 26.000.000 ariary, ary tao anatin’ny paosiny kosa ny vola 600.000 ariary ambiny. Mbola tsy naharay fitoriana mikasika ity raharaha ity aloha ny mpitandro ny filaminana, fa ny zavatra hitan’ny zandary fotsiny taorian’ny fifampisintonana sakosy nisy ny vola teo amin’i Joel sy ireto jiolahy dia nisy ny balana PA latsaka tamin’ireto andian-jiolahy ireto. Efa eo am-panadihadiana azy ny zandary izao hamantarana ny tompony, araka ny laharana hita amin’ilay bala latsaka. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici