Ny alin’ny alarobia teo, raha ny fanazavan’ny pôlisy, no maty voatifitr’izy ireo i Marcellin Gilbert. Izy io, raha araka ny loharanom-baovao mitovy, dia isan’ny lehiben-jiolahy ao Toamasina. Izy no voatondro ho nanafika ny toeram-pivarotana kojakoja eletrika iray tao an-toerana tamin’ny volana desambra lasa teo. Sendra tao anatin’io toerana io ny Talem-paritry ny pôlisy ary isan’ireo voaambana basy sy voaroba koa. Lasa ny volany Telo tapitrisa ariary sy ny basy izay tao anatin’ny sakaosiny. Torak’izany ihany koa ny nanjo ny mpivarotra sy ireo mpividy rehetra tao aminy. Ankehitriny dia efa voaverina ny basy rehefa voasambotra i Marcellin Gilbert. Ny alin’ny alarobia izy no nasaina nanondro ny toerana hiafenan’ny namany taoToamasina hatrany. “Nitady ny hitsoaka indray anefa rehefa nasaina nanao an’izany hany ka voatery nitifitra izahay” raha ny fanazavan’ny pôlisy hatrany.
D.R