- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Maty voatifitry ny polisy i Tahasoa sy i Miarisoa

Toamasina : Maty voatifitry ny polisy i Tahasoa sy i Miarisoa

Isan’ny niteraka tsy filaminana sy fitaintainana lava tamin’ny vahoaka tao Toamasina ny asan-jiolahy mitam-basy. Efa andro maromaro anefa izay, araka ny fanazavan’ny kaomisera Razafindahy Manitra, dia nisy olona narahan’izy ireo maso izay isan’ireo jiolahy mpitam-basy nampihorohoro vahoaka.

Ny alahady tokony tamin’ny  5 ora hariva teo anefa raha teo am-panomanana hanafika tranon’olona tao Salazamay Atsinanana ireto jiolahy roa isan’ireo efa narahi-maso dia tonga ny polisy nanara-maso ny zavatra hataony. Raha nikasa anakana azy roa lahy, i Tahasoa 23 taona sy i Miarisoa 33 taona, ny polisy hijerena ny teny aminy dia tifitra avy hatrany no nataon’izy roa lahy. Namaly izany koa ny polisy ka maty voatifitra tamin’izany izy roa lahy ireto, tratra tany amin’izy ireo ny basy “Unique” iray sy bala roa ka iray efa nipoaka, ny saron-tava saika hampiasaina, antsy fohy iray, ary “scotch” sy tady. Mbola nahitana karapanondro sandoka fampiasan’izy ireo koa tany amin’izy roa lahy, izay vita tany Ambovombe ary nohavaozina noho ny fahaverezana tao Toamasina.

“Hametraka filaminana sy hiaro ny vahoaka sy ny fananany no mampisy anay eto, ka tsy mitsahatra amin’izany izahay mbah iaina sy hiasa am-pilaminana ny vahoaka”, hoy ny kaomisera Razafindahy Manitra. “Tsy maintsy fongorinay ny jiolahy mampahory vahoaka fa fahavalom-pirenena sy ny fandrosoana”, hoy kosa ny lefiny, kaomisera Rajaobelina Zo, mpitarika ny fametrahana ny filaminana ao Toamasina. Efa eo am-panaraha-maso ireo naman’izy roa lahy ny polisy izao, ka ho hita eo ny tohiny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici