- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : “MD enim-bolana noho ny tondro molotra I Clovis Razafimalala”

Toamasina : “MD enim-bolana noho ny tondro molotra I Clovis Razafimalala”

Ny tomponandraikitry ny vovonana CNPE nanao valan-dresaka.

Nanao valan-dreseka ho an’ny mpanao gazety teto Toamasina, ny sabotsy teo, tao amin’ny trano fisakafohanana “ficus Nitida” Bd Augagneur ny vovonam-pirenena miandraikitra ny ady sisika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana na ny “CNPE”. Nandritra izany no nanazavan’izy ireo ny asany ka nanamarihan’izy ireo ny fitakiana hamoahana ny marina ny raharaha mikasika an’i Clovis Razafimalala, izay nofonjaina enim-bola am-ponja vonjimaika, nefa tsy misy heloka mafonja manejika azy.

Tao anatin’izao valan-dresaka izao no nilazan’Atoa Lalaina Andrianavalona mpandrindra nasionaly ny CNPE sy ny Rtoa Rahoeliarisoa Huynh Corrine misahana ny serasera, fa vovonana miaro ireo vondron’olona ifotony (VOI) manao ny fanaraha-maso sy miady amin’ny fandikan-dalana eo amin’ny resaka tontolo iainana izy ireo; koa ho an’ireto vovonana ireto dia heloka noho ny tondro molotra no manameloka ny naman’izy ireo efa enim-bolana ao Ambalatavoahangy izao. Resaka ady noho ny bizina sy resaka ara-bola teo amin’ireo samy mpandraharaha tao Maroantsetra ka nisiana sakoroka nahamay ny biraon’ny distrika sy ny fitsarana tany an-toerana, no nentina nanenjehana an’i Clovis Razafimalala izay nambara fa mpitarika ireo nanankorontana sy nandoro biraom-panjakana tamin’izay. Fito ireo nosamborina sy nentina teto Toamasina tamin’izay nefa i Clovis sy ny namany iray ihany sisa no miandry fitsarana am-ponja raha efa nohafahana vonjimaika avokoa ireo dimy hafa.

Mitaky ny hanafainganan’ny fitsarana ny raharaha ny CNPE sy ny filoha Lampona, na mangataka fahafahana vonjimaika ho azy ihany koa alohan’ny fitsarana azy. Hatreto anefa dia tsy mbola manangasanga eo anivon’ny raharaham-pitsarana eto Toamasina ny antontan-taratasin’ady mikasika ity raharaha tany Maroantsetra nafindra eo anivon’ny fitsarana Toamasina…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici