- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Miaramila maty voatsatok’antsy

Toamasina : Miaramila maty voatsatok’antsy

Mpanendaka hatreto no heverina fa namono nahafaty miaramila iray izy miasa eo anivon’ny toby RM3. Nisy telo lahy nivoaka tao anatin’ny maizina ary naka an-keriny ny paoketra teny amin’ny olona izay niara-dia taminy, afak’omaly. Tsy nanaiky mora foana ilay mpitandro ny filaminana ary nanao ny fanenjehana. Teo no nisy ny fifandirana izay niafara tamin’ny fahafatesany. Natao ny famonjena ny ainy saingy tsy avotra intsony. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana, izay nosokafan’ny zandary, mba ezahina hamantatra ireo tompon’antoka. Tsy mandry ny fahalemana ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka raha vao migadona ny alina. Mampitaraina ny olona ao an-toerana izany. Amin’ny atoandro indray dia ireo mpizahatany, na gasy ihany aza, no tena ataon’ny jiolahy lasibatra, indrindra eo amoron-dranomasina akaikin’ny seranan-tsambo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici