Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny ben’ny tananan’i Toamasina, Ratsiraka Elysée Laurent, sy ny mpiasa mitokona noho resaka tsy fandoavana ny karamany ankehitriny. Omaly maraina dia tonga maro tahaka ny nitranga ny talata nanombohan’ny fitokonana ireto mpiasa, izay tsy nitondra tanam-polo sy kiririoka tahaka ny nataony ny talata, fa niaraka tamin’ny sora-baventy natao tanana nilazan’izy ireo ny tsy fahafaliany mikasika ny zava-misy sy ny vava nataon’ny ben’ny tanana tsy handoa ny karaman’izy ireo 05 volana ho an’ny mpiasa an-tselika, sy karama 02 volana ho an’ny mpiasa raikitra. Nisy ihany koa fangatahana fihaonana nataon’ireto mpiasa tamin’ny ben’ny tanana, saingy nandà tsy nandray azy ireo Ratsiraka Elysée Laurent sy ireo mpiara-miasa aminy. Raha nanontaniana izany ny ben’ny tanana dia nilaza fa efa manomana ny karaman’izy ireo ny volana oktobra ny kaominina, satria izay no fotoana nandraisako ny fahefana, mbola hodinihina anefa ireo trosa na karama navelan’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominina, Toalina Zafindrabary, fa tsy manam-bola amin’izany ny kaominina izao. Ankoatra izany dia narantin’ireto mpiasa ihany koa ny sora-baventy milaza ny tsy fitiavana sy tsy fankasitran’izy ireo ireo mpiara-miasa telo amin’ny ben’ny tanàna ; ka tao ny sora-baventy milaza ny tsy faneken’izy ireo an-dRtoa Celestine Razafindravelo izay ho atao lefitra voalohany ny ben’ny tanana, Atoa Jean Maurice izay ho atao lefitra faha-02, Atoa Alain izay natao talen’ny « Fako » sy ny tsena noho maha-Mts azy, ary farany izay tsy voatonona tamin’ny sora-baventy saingy tsy tian’ny mpiasa ihany koa dia ny Jly Polisy Rakotoarisoa Jean Yves izay ho atao lefitra faha-04 ny ben’ny tanana. Ny hahian’ny maro amin’ity raharaha ity dia ny hiverenan’ny fitokonana lava reny teo anivon’ny kaominina nandritra ny naha-PDS voalohan’ny tetezamita tao Toamasina an’ingahy Rakotovao Mariot.
Malala Didier