- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mirongatra ny fanendahana sy sinto-mahery

Toamasina : Mirongatra ny fanendahana sy sinto-mahery

Efa manao ny ezaka rehetra amin’ny fisahanana ny filaminam-bahoaka an-davanandron’ny mponina ao Toamasina ireo mpitandro ny filaminana, saingy tsy mahasakana intsony ny firongatry ny asan-jiolahy , indrindra ny sinto-mahery sy ny fanendahana izay tena mahazo vahana ankehitriny.

Raha ny fanazavan’ireo mpitandro ny filaminana nanontaniana, izay hahazoan’izy ireo fitarainana sy antso vonjy am-polony isan’andro eo anivon’ny polisim-pirenena, dia tsy ampoizina intsony fa tena miha ankizy ny mpanendaka sy mpanao sinto-mahery misy ao Toamasina. Ny faritra rehetra be olona sy misy ireo tsena goavana valo ao Toamasina, dia saika ahitana ireo andian’ ankizy mpanendaka ireo avokoa. Ny talata alina izao na efa nofoanan’ny kaominina, saingy efa manomboka miverina indray ankehitriny ireo “bar sachet” eny amoron-dranomasina, dia nahatratra am-bodiomby mpanendaka ny teo anivon’ny polisim-pirenena mpanao fisafoana amin’ny alina. Mbola tovolahy 15 taona no nahavita nanao sinto-mahery ity rangahy avy nirevy teny amoron-dranomasina. Tafaverina tamin’ny tompony ihany moa ireo finday sy ny vola 100.000 ariary tao anatin’ilay “porte feuille”-ny lasan’ity tovolahy ity.

Nambaran’ireo mpitandro ny filaminana ao Toamasina, fa tena potiky ny firongatry ny rongony ny ankizy sy ny tanora malagasy ankehitriny, hany ka betsaka ny lasa manaonao foana. Ny nanaitra aza dia ny filazan’izy ireo, fa misy no mbola mpianatra amin’ireo CEG sy Lycee ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery ireo, mba hahazoan’ireto ankizy sy tanora ireto vola hirevena any an-tsekoliny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici