- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mirongatra ny fisolokiana

Toamasina : Mirongatra ny fisolokiana

Feno fitoriana eo anivon’ny polisy sy ny zandary. Raha ny fanazavan’ireo mpitandro ny filaminana dia toa misy fandraikiraikena ataon’ireo mpisoloky. Ny tranga voalohany dia ny fivarotana “sprinter” izay tsy misy afa-tsy amin’ny sary ihany. Io no entin’izy ireo amin’ireo olona kendreny sy haparitany amin’ireo tranon-kalam-pifandraisana. Maro no roboka. Raikitra ny adivarotra, dia misy ny fiarahana misotrosotro ka eo no manomboka ny resaka fampatoriana izay hifandraisan’ireto mpisoloky amin’ireo trano fandraisam-bahiny sasany. Vao resin-tory ireo olona mpividy dia alain’izy ireo ny vola eny aminy, ary milaza ny tsy mahalala na inona na inona ilay trano fandraisam-bahiny aorian’izany. Ny tranga faharoa dia ireo mpivarotra menaka manitra amin’ny fitondrana santionany. Raha raikitra ny adivarotra eo amin’ny mpividy sy ireto mpisoloky, dia milaza ny tratran’ny fahasahiranana an-dàlana mandritra ny fitondrana ilay menaka manitra izy ireo, ka maka vola amin’ilay mpividy ary avy eo tsy mipoitra intsony. Misy ihany koa amin’ny tranga niseho ireo milaza ho fianakaviana maro mamandrika trano fandraisam-bahiny. Milaza ny tra-doza an-dàlana anefa izy ireo avy eo ka mangataka vola amin’ilay trano fandraisam-bahiny hamahana ny olana mianjady amin’izy ireo, nefa avy eo tsy mipoitra. Resaka fandefasana vola amin’ny finday avokoa no ampiasaina amin’ireo tranga roa farany ireto.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici