- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mirongatra ny kitrotro, feno ny hopitaly

Toamasina : Mirongatra ny kitrotro, feno ny hopitaly

Ifampitadiavana koa ny fanafody (sary nindramina)

Mirongatra ny  kitrotro eto Toamasina amin’izao taona vaovao izao ka ny ankizy no tena lasibatra ka saika feno avokoa ny toeram-pitsaboana voatokana amin’izany; na izany aza maro koa ireo olon-dehibe voan’ny kitrotro  izay nahazo vahana izany ho an’ny olon-dehibe tao anatin’ny fiandrasana ny taona vaovao hatramin’izao. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo, dia miakatra be ny hafanana, misy tsiranoka ny maso rehefa avy matory izay miteraka faha-menany maso izany, mety ho voan’ny sery koa indrindra ho an’ny lehibe, fa masaka ny vava ho an’ny ankizy sy mety hiteraka aretin-tenda sy  fivalanana ihany koa. Reraka be ny marary na ankizy io na lehibe voan’ny kitrotro, na mahatsiaro ho mafana be aza ny voany dia tena fadiana ny misotro rano mangatsiaka, hoy ny mpitsabo. Efa ao anatin’ny valan’aretina ny kitrotro ho an’i Toamasina renivohitra sy ao Toamasina II, hany ka saika ahenoana isan’andro zaza sy ankizy maty noho ity kitrotro ity eto Toamasina; raha ho an’i Toamasina renivohitra dia ny fokontany Tanambao Verrerie sy Depôt Analankininina no tena ahitana olona be indrindra voan’izany kitrotro izany izao. Feno hipoka ankehitriny ny hopitalin-jaza ao amin’ny Hopitaly be, ireo toeram-pitsaboana madinika eny amin’ny fokontany koa efa tsy afaka mandray marary intsony. Ao anatin’izany anefa, tsy ampy ny mpitsabo satria mpitsabo mpanampy telo misahana zaza 300, nefa mandritra ny fitrangan’ny aretina dia ao ny sempotra, ao ny safotra, ary ao ny mifanintona; hatramin’ny fandoavam-bola hiditra hopitaly anefa amin’izany mbola ilaharana, manginy fotsiny ny fividianana fanafody izay milahatra nefa mbola tsy misy koa ny ankamaroan’ireo fanafody tena ilaina. Ho an’ny Dr Tombozafy Adrien lefitra teknika eo anivon’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana Toamasina II, izao valan’aretina izao no vokatry ny resaka natao tetsy sy teroa momba ny fanaovam-baksiny teto amintsika, ireo zaza tena tsy nanao vaksiny mihitsy ireo tena mijaly tratran’ny kitrotro ireo, ireo nahavita tsy nahatody kosa na voany aza afaka miady tsara ny vatany, ireo nahavita vaksiny tsara kosa tsy misy manahy izy ireo izao fa voaaro. Vokatr’izany dia hampanao vaksiny kitrotro ny fanjakana ny 14 janoary hatramin’ny 18 janoary ho avy izao, ka zaza 9 volana hatramin’ny 9 taona no hanaovana izany; maimaimpoana ny vaksiny ka entanina ny ray aman-dreniny rehetra. Ho fanampiana ireo ray aman-dreny koa, dia nampitomboina ho efatra ireo mpivaro-panafody mpiandry raharaha isan’andro, ao anatin’ny valan’aretina kitrotro be eto Toamasina izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici