- Publicité -
mercredi, novembre 12, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Mirongatra ny vaky trano sy ny fanafihana, voaroba hatramin’ny mpanao...

Toamasina : Mirongatra ny vaky trano sy ny fanafihana, voaroba hatramin’ny mpanao gazety

Ny alakamisy 23 avrily alina nifoha ny zoma 24 avrily teo, tranon’ny mpanao gazety iray eny amin’ny fokontany Analakininina Hopitaly be no niharan’ny asaratsin’ireo andian-jiolahy manararaotra ny « couvre feu » eto Toamasina. Very tamin’izany ny fitaovam-piasan’ilay mpanao gazety, ny entana tao aminy samy hafa ihany koa. Raha ny fanazavana dia nitaingin-dakana nihazo ny lakandrano Pangalana mivoaka ny ranomasina eny amin’ny faritry ny hopitaly be ireo andian-jiolahy tamin’ny vaky trano nataony. Nihanika ny tambo misy ilay mpanao gazety ireto andian-jiolahy, nampiasa ny fonoka fanaony izy ireo ka tsy nahare ny fidirany sy halatra nataony ny tao an-trano manontolo ka nanararaotra naka izay zakany sy tiany ireto andian-jiolahy ireto, saingy tsy niakatra ny rihana kosa fa ny tao ambany ihany no tena lasibatra. Nilaza ilay mpanao gazety hoe raha namono ireto andian-jiolahy nandritra ny asa ratsy nataony dia efa maty izahay mianakavy, satria resin-tory tsy nahare izany nitranga izy ireo nandritra ny halatra. Ny maraina fifohazan’ny mpianakavy tao an-trano vao tsikaritra ny fahabangana samihafa. Raha nozahana dia nopitsohin’ireo andian-jiolahy ny varavarana, lakana no nentin’ireo jiolahy nandositra nitondra ny zavatra avy nangalarin’izy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici