Efa herinandro izao dia niara-nihetsika sy niara-nisalahy ny talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Atsinanana, sy ny ivon-toeran’ny fitaterana an-tanety eto Toamasina, ny zandary, ary ny vondron’ny kaoperativa eto Toamasina manao zotra nasionaly sy rezionaly ary ny suburbain, amin’ny fanaraha-maso ireo kaoperativa mpitatitra olona amin’izao an-katoky ny fety izao.
Ny amin’ny lalam-pirenena faha-5 izay tena ahitana ny gaboraraka no anaovan’izy ireo ny fanaraha-maso sy fisavana ataon’izy ireo miaraka. Tao anatin’izay herinandro nanaovan’izy ireo ny fisavana izay, dia ny resaka fahazoan-dàlana mitatitra olona indrindra ireo mpitatitra olona mihazo an’Ambodiriana, ny tsy fisian’ny boky kely fanoratana ny anaran’ireo mpandeha sy ny tapakila mikasika azy ireo izay amin’ireo fiara manao ny zotra Vavatenina sy Soanierana Ivongo, ary ny olana amin’ny fiantohana ny fiara, no tena olana hita amin’ireo mpitatitra olona voasava hatramin’ny omaly. Fanaraha-maso ary fampanarahana ny làlana no anjaran’ny talem-paritra sy ny ATT ary ny vondron’ny kaoperativa mandritra izao fanaraha-maso izao, ireo zandary kosa no manasazy ho an’ireo mpandika lalàna. Ny tanjona amin’izao hetsika izao, dia ny tsy hisian’ny lozam-pifamoivoizana hamoizana ain’olona amin’izao an-katoky ny fetin’ny krismasy sy ny taom-baovao izao, ary entina ihany koa ampahafantarana ireo mpitatitra olona, fa misy lalànany ny asa ataon’izy ireo; izay miantoka ny ain’ny mpandeha.
Santatra izao hetsika izao araka ny nambaran-dRtoa Narove Mamy talem-paritra, hisy matetika izany amin’ny taona vaovao io, ho fanatsarana ny fitateram-bahoaka eto Toamasina sy ny manodidina. Niatrika ny fisavana natao Atoa Razakasoa Rivo talen’ny ATT Toamasina, sy Atoa Lalahy Iavison lehiben’ny vondron’ny kaoperativa nasionaly sy rezionaly ary suburbain eto Toamasina .
Malala Didier