Nanao “operation” tao faritra Ambalamasy iny ny polisy ny FIP sy ny polisy ny UIR, ka ny talem-paritry ny polisy Atsinanana ny kaomisera Ratokovoa Jean Christian, no nitondra fanazavana nandritra izany. Araka ny fanazavana natao nandritra ny fivorian’ny OMC tao amin’ny lapan’ny faritra dia nanazava ireo voakasina fa efa ela no nikarohana an’ity Rasihanaka ity sy ireo namany noho ireo heloka maro efa vitany teto Toamasina. Araka ny fanazavana hatrany dia isany mpanao fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina izy ireto, mpandroba moto an’olona ihany koa, ary efa nandromba mpiasana orinasa iray ka lasa tamin’izany ny moto sy ny vola. Voalaza ihany koa fa mpanafika tranon’olona ao faritra Tsararivotra sy ny manodidina iny koa ireto ekipa indray maty ireto. nohamafisin’ny talem-paritry ny polisy teo anivon’ny OMC ihany koa fa isany namono nahafaty polisy teo amin’ny sampanany Miramar volana vitsy lasa izany ity Rasihanaka ity. Fantatra ihany koa fa efa nampihorohoro ny vahoaka tao Alaotra-Mangoro koa ireto jiolahy maty ireto, ka nandoran’izy ireo tranon’olona tao Vohidiala ary nampiditra azy am-ponja 05 taona am-ponja. Teo am-panomanana ny fanafihana saika nataon’izy ireo no nahazo vaovao ny FIP tarihany kaomisera Rafaliaro Jules, ka nampandre ny UIR mikasika ny hetsika atao; tonga teny an-toerana ireto polisy saingy toerana feno lobolobo no nisy ireto andian-jiolahy tao Ambalamanasy eo akaikin’ny Adema. Niaro tena ny polisy satria namaly tifitra ihany koa ireto jiolahy, ary nanambana antsy ireto polisy hisambotra azy ireto jiolahy ka rakitra teo ny fifampitifirana ka nahalava ireo efa-dahy ka isan’izany i Rasihanaka efa nitadiavana efa ela izay. Ankoatra izay dia nisaotra ireo nanome ny loharanom-baovao ny polisim-pirenena eto Toamasina, ary mbola manentana hatrany amin’ny fifanampiana amin’ny fanomazanam-baovao hatrany ny polisim-pirenena. Fantatra koa izao fa andian-jiolahy 02 hafa koa matin’ny FIP tao anatin’ny 48ora, ireto jiolahy roa dia maty ny zoma alina nifoha ny sabotsy.
Malala Didier