Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no nitranga teo anoloan’ny fonjaben’i , tanatin’ny firavan’ny mpianatra tao amin’ny sekolin’ny masera Saint Joseph de Cluny sy Notre Dame de Lourde iny mihitsy. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny loza, dia nanaraka ny hitsiny tsara ilay dadabe nitondra ny zafikely hody avy nirava nianatra, zazavavy kely tokony ho 5 taona eo, saingy ity fiaran’ny tafika izay nentin’ny mpamilin’ny lehiben’ny fari-piadidian’ny tafika Malagasy ao Toamasina, izay efa mamo satria nahenoana fofon-toaka be izy tao anaty ny fiara nentiny, no nangalatra ny lalan’ilay moto ka tonga tamin’izao loza mahatsiravina izao. Tapatapaka ny taolan’ilay zazavavy kely, voa mafy ny lohany, nivoa-drà ny orony sy ny sofiny ary ny vavany; izay nitarika fahafatesana ho azy avy hatrany , na mbola hitan’ny olona niaina aza izy tamin’ny fotoana fohy nitrangan’ny loza. Ilay dadabeny kosa na voadona mafy teo amin’ny lohany aza noho ilay moto nisitrika tao ambanin’ilay fiaran’ny tafika mihitsy sy niteraka fahatapahana maromaro teo amin’ny tratrany sy ny tongony ary ny tananany, dia mbola nahatsiaro tena ary mbola tonga nahazo fitsaboana teo anivon’ny hopitaly ihany na tena ao anatin’ny fiadiana mafy amin’ny fahafatesana ihany koa aza. Nandritra ity loza ity sy ny fahitan’ny olona ny fahamamoan’ilay mpamily ny lehiben’ny tafika ao Toamasina, dia efa saika raikitra ny sakoroka sy ny fitsaram-bahoaka, raha tsy tonga haingana ny polisy nanao fisavana tsy lavitra teo amin’ilay toerana nitrangan’ny loza. Ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha, fa tamin’ny fotoana nanoratanay , dia tsy mbola nahazoam-baovao ny lehiben’ny tafika ao Toamasina; izay mampiasa ity miaramila ity.
Malala Didier