- Publicité -
samedi, août 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpamily « Tuc Tuc », novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina

Toamasina : Mpamily « Tuc Tuc », novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina

TUC-TUCEfa tena manjaka tanteraka ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny Nosy. Mpamily Tuc Tuc iray vao 25 taona monja, ao Toamasina indray, no hita faty ny alatsinainy 22 aogositra lasa teo tao Antanandava. Raha ny fijery azy, dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tokoa ity farany satria taorian’ny fizahana ny razana, dia nahitana dian’antsy maro teny amin’ny vatany : roa tao an-damosiny, roa teo amin’ny tarehiny ary iray hafa koa teo an-tampon-dohany. Ankoatra izay, nahitana pempo ihany koa ny handriny; izay manamarina fa nokapohina na nakarapoka tamin-javatra mafy toy ny vy na vato na hazo ny lohan’ilay mpamily io. Araka ny fanadihadiana natao ,voalaza fa niantso ny namany izy ny andron’ny sabotsy 20 aogositra fa misy olona manofa azy ho eny Antanandava, amin’ny làlam-pirenena faharoa iny, tokony ho tamin’ny  roa ora sy sasany hariva tany ho any. Namerina niantso io namany io indray anefa ny tenany, io andro io ihany, azy nilaza mazava fa misy mamono ka mila vonjy. Tsy fantatra anefa ny toerana tena nisy azy, fa efa tapaka rahateo koa ny antso ka tsy voalazany. Teo dia nanomboka nikaroka azy, ireo namany hatramin’ny alin’ny sabotsy tamin’ny sivy ora sy sasany alina io, saingy nandamoka ihany izany. Ny ampitson’io, ny alahady 21 aogositra lasa teo, niezaka nampandre ireo mpitatitra sy tompona « Tuc Tuc » rehetra teny an-toerana araka izany ireo namany ka niara-niroso tamin’ny fikarohana ilay mpamily nila vonjy.  Ilay fiarakely no hita voalohany saingy efa tsy tàzana tao intsony ny « moteur » sy ny « batterie » ary ny « flectors » anankiroa izay mitentina fito hetsy ariary any ho any. Raha ny fanazavana voaray avy tamin’ny Sekretera Jeneraly ny fikambanan’ireo mpitatitra « cyclo-motorisé », dia tombanana ho ny nangalarana an’ireo zavatra ireo no namonoana ilay mpamily, ity farany izay tsy mbola hita ny nisy azy. Ny alatsinainy lasa teo tamin’ny 10 ora maraina no nisy manampahefana nampandre ny amin’ny fisiana fatin’olona tamin’ny faritra iray fanarian’ny orinasa lehibe iray fako. Nozahana ilay razana ka fantatra fa ilay mpamily tokoa io hita faty io, izay efa rotiky ny dian’antsy tanteraka.  Efa lasan’ny fianakaviana ny razana. Tonga nampahery azy ireo ny Ben’ny tanànan’i Toamasina. Efa eo am-pelantànan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ankehitriny ary efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana mahakasika an’izay. Andrasana araka izany izay mety ho tohiny.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici