“Olona roa manao fanamiana mpitandro ny filaminana niditra toa ireny olona hividy ‘friperie’ ireny no nanafika anay”, izay no filazan’ireo mpiasan’ity mpamongady “friperie” ao Anjoma Toamasina, nandritra ny fanafihan-jiolahy azy ireo ny alatsinainy atoandro tokony tamin’ny 11ora.
Avy hatrany dia niditra izy ireo sy nanitsy nanatona ny fandoavam-bola ao amin’ity mpamongady ary nanambana basy PA ilay mpitazom-bola mba hamoaka ny vola. Tsy nisy nahahetsika ny tao anaty birao, ka lasan’ireto jiolahy ny vola 06 tapitrisa ariary vidin’ireo “friperie” azo ny maraina. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana, fa mikendry ny hanafika ny vola niditra ny faran’ny herinandro ireto jiolahy ireto, saingy efa nisy ny fanaterana izany teny anivona banky. Nifanenjehan’ireo mpiasa mpibata entana ihany ireto jiolahy ireto taorian’ny fivoahany tsy taitra ny magazay, saingy efa nisy naman’izy ireo iray hafa mpiambina moto scooter tsy lavitra teo, ka mora tamin’ireto jiolahy ny nitsoaka. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia tsy sambany nihatra tamin’ity mpamongady “friperie” ity izao fanafihana ny volany izao, fa efa tratran’ny toy izao koa izy ireo iray volana lasa, raha teo am-panaterana ny vola ho eny amin’ny banky ka notafihana jiolahy telo, lasa tamin’izany ny vola 12 tapitrisa ariary.
Malala Didier