- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpampianatra tratra nanao bizina basy

Toamasina : Mpampianatra tratra nanao bizina basy

Lehilahy iray, mpampianatra ao amin’ny CEG Augagneur Toamasina, no tra-tehaky ny zandary nanao aferana basy, ny talata lasa teo. Pasy PA vita gasy iray no saika hamidin’ity rangahy ity tamin’izany, niaraka tamin’ny fitoeram-bala, nisy bala 30, calibre 9 mm. Araka ny fantatra, dia angom-baovao avy tamin’ olona  tsara sitrapo niantefa teny amin’ny sofin’ireo mpitandro no nahafantarana fa misy olona mivarotra basy ary mitady mpividy tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka tao. Nampiasaina avokoa ny tetika hanjonoana izany olon-dratsy, hoy ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary, ary dia tafalatsaka tao anaty haraton’izy ireo ity olona. Teo am-pivarotana ity basy poleta ity, tamina olona mody nasaina nividy izany mihitsy ranamana no sarona sy afa-niala intsony. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahafantarana, fa hay mpampianatra no tena asany ary miasa ao amin’io sekoly voalaza etsy ambony io izy, araka ny voalazan’ny zandary hatrany. Tamin’izany ihany koa no nilazany fa tsy azy velively io fitaovam-piadiana io, fa an’olona monina any Vavatenina fa “nasaina nivarotra fotsiny ihany izy”. Notazonina avy hatrany ao amin’ny borigadin’ny zandary ao Toamasina moa Ingahy mpampianatra, niaraka tamin’ny basy saika hamidiny. Ny tranga tahak’izao, dia isan’ny mampitodika sy mampametra-panontaniana ny amin’ny zava-misy iainan’ireo mpampianatra amin’izao fotoana izao. Efa tena tsy misy hasiny intsony ve ity asa masina iray ity ? Sa midika tsotr’izao, fa saika mikarama varimasaka ny ankebeazan’ireo mpanabe ka zary lasa manao ny tsy fanao ny sasany ?

m.L 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici