- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpanao gazety notorian’ny depiote

Toamasina : Mpanao gazety notorian’ny depiote

Niainga tamin’ny fizarana hevitra tamin’ny tambajotra sosialy facebook ny disadisa, izay niafara tamin’ny fametraham-pitoriana nataon’ny depiote avy ao Mananara-Avaratra. Ilay mpanao gazety izay monina ao Toamasina ary solontenan’ny gazety iray eto an-drenivohitra no niharan’ny fitoriana rehefa nilaza tamin’ny vondrona “ino maresaka à tamatave” momba ny raharaha jirofo sy sambo iray any an-toerana, izay niteraka resa-be ao Toamasina. Nahatsiaro ho afa-baraka ilay solombavambahoaka manodidina izany ary nametraka ny fitoriany teny anivon’n y zandary misahana ny heloka bevava (brigade des recherches criminelles). Naharitra ora roa mahery ny fihainoana azy ary afaka namonjy fodiana izy taorian’izay. Nambarany, araka ny resadresaka tao, fa hanala ny fitoriana ny mpitory raha toa ka vonona hanao fifonana eo amin’ilay tambajotra sosialy ilay mpanao gazety. Betsaka ny nametra-panontaniana momba ity raharaha ity, satria voalohany izao no nisy fitoriana niainga tamin’ny fizarana hevitra tamin’ny facebook izany. Nipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe angaha facebook gazety ihany koa? Raha ny zava-misy mantsy dia olon-tsotra ianao rehefa ao anaty facebook fa tsy amin’ny maha-mpanao gazety anao intsony no maneho hevitra. Dikany, mbola mampametra-panontaniana hatreto hoe lalàna mahakasika ny asa fanaovan-gazety ve no hitondràn’ny mpanao fanadihadiana ny raharaha. Tany ivelany dia efa maro ny fitoriana nipetraka momba ity fampiasana facebook ho fizarana hevitra ity. Niantefa tany amin’i Marck Zuckenberg izany, tompon’ny facebook, fa kosa tsy tany amin’ilay olona nizara hevitra tamin’ny facebook. Ny zava-nisy rehefa nitranga izany dia nesorina ilay pejy voakasika na koa ilay olona voakasika. Eto amintsika indray dia mbola zava-baovao tanteraka izany ary ity tranga tany Toamasina ity no nisantatra azy. Andrasana ny hevitry ny mpahay lalàna momba ny toa izao, satria ny tambajotra sosialy dia azon’ny rehetra ampiasaina ary samy afaka milaza izay tiany ny rehetra ao anatiny. Misy ny tombotsoa ary misy ihany koa ny voka-dratsin’izany. Etsy andanin’izany, mety ho azo resahina ao anatin’ny fandrafetana ny “code de la communication” izay hatao any Antsirabe amin’ny herinandro koa ity tranga ity…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser