- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina- Mpanao gazety voatafika : Nambanana basy sy antsy, nangalarina ny fItaovam-piasana

Toamasina- Mpanao gazety voatafika : Nambanana basy sy antsy, nangalarina ny fItaovam-piasana

Nambanana basy teo amin’ny fihirifany, antsy lava teo amin’ny takibany. Avy eo nentina nitsoaka, niaraka tamin’ny fahitalavitra, lecteur vidéo sy ny subwoofer ary ny fitafiana madio rehetra, ny kitapo fitondran’ny namana mpampahalala vaovao iray miasa ao Toamasina. Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’izany tao amin’ny fokontany iray,izay be mponina ary eo amin’ny sarangan’olona mitrongy voaomana. Araka ny fanazavan’ity mpiray asa ity dia tsy henon’izy telo mianaka tao an-trano sy ireo mifanila efitra ary ny mifanila vodirindrina ny nanapitsohana ny varavarana. Ny antsy teo amin’ny takibany no nanaitra azy tamin’ny 2 ora maraina. Telo lahy tsy nisy nisaron-tava ireo nangalatra tao amin’ity tokantrano ity. Nifarimbona nangorona ireo entana ny roa lahy, ny iray kosa niambina ireo teo am-pandriana. Nampiavaka manokana ity halatra ity ny nangalarana ireo fitaovampiasan’ilay mpanao gazety. Tao anatin’ilay kitapo avokoa ny fitaovany rehetra toy ny solosaina, fakan-tsary, clé USB misy antotam-pikarohana, ny fitaovana fandraisana an-tsoratra, indrindra ny antontantaratasy an’ny orinasa hiasany sy ny vola,izay nomanina hanaovana ny lanonan’ny faran’ny taona ary ny karatra maha mpanao gazety. Ny nahazendana dia natsipin’ireo jiolahy teo an-tokontany ny karapanondron’ilay tompon’ny entana nangalarina.

Herinandro vitsivitsy talohan’io, mpanao gazety iray hafa ihany koa no nisy nandrava teny amin’ny fotoana mahabe olona teny amorondranompasika. Voabatan’ireo jiolahy efatra teo amin’ny 5 metatra teo ity mpiara-miasa ity. Lasa tamin’izany avokoa ireo fitaovana teny aminy ary mbola noratraina ihany koa ranamana. Andro vitsivitsy lasa izay, fitaovan’ny onjampeo tsy miankina iray no nisy nangalatra teny amin’ny foibeny eny Andromadio Toamasina. Toa zary lasibatra tato ho ato ny mpampahalala vaovao ao amin’ny renivohitry ny farita Atsinanana ao.

Jean-Claude STEVE

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser