Tsy nampino ny zava-nanjo an’i Dodakely, mpanarato fanta-daza eny amin’ny faritra lycée Jacque Rabemananjara iny. Raha ny fanazavana dia teo am-pisintonana ny harato teny amoron-dranomasina no voalaza fa nisy zavatra nisintona azy tany anaty ranomasina. Tampoka teo anefa dia niantso vonjy izy, nefa nanomboka teo dia tsy hita popoka intsony ny tenany. Gaga ireo mpiara-misintona harota aminy teny akaikin’ny trano fandraisam-bahiny iray atsimon’ny lycée Jacques Rabemananjara, saingy hatrateo dia tsy nipoitra intsony ny tenany, nefa dia feno olona isan’andro ny moron-dranomasina. Tsy nahita azy intsony ary misy mihitsy ireo mandeha lakana mijery ny razana eny ambony ranomasina. Ankoatra izany dia tena zendana ny rehetra fa tsy ireo mpilalao sy mpilomano ihany no hatelin’ny ranomasina, fa ireo ety amoron-dranomasina ihany koa dia mety voatelina raha tsy misy ny fitandremana. Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ataon’ireo mpanarato ny namany tsy hita popoka antsoina hoe Dodakely ity hatramin’izao.
Malala Didier