- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpanendaka sivy tratran’ ny polisy, ny dimy vao avy nahavita...

Toamasina : Mpanendaka sivy tratran’ ny polisy, ny dimy vao avy nahavita ny saziny am-ponja

Isan’ny olana goavana sedrain’ireo mpitandro ny filaminana eto Toamasina ankehitriny, ny firongatry ny fanendahana, izay efa tsy mifidy ora sy fotoana ary toerana intsony ny fanaovan’ireo andian-jiolahy azy. Izay no mahatonga ny polisy eto Toamasina ; izay niantso mpanao gazety mihitsy ireo kaomisera efatra tena misahana ny filaminam-bahoaka eto Toamasina, nilazan’izy ireo fa mila manangana andrimasom-pokonolona ny isam-pokontany, satria raha ny fahitan’izy ireo azy dia vitsy kokoa ny trangan-tsy filaminana amin’ny resaka halatra sy vaky trano ary ny fanendahana ao amin’ny fokontany misy ireo andrimasom-pokonolona ireo. Vokatr’izany dia nisy tovolahy sivy voatazon’ny polisy noho io fiaraha-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona io, ka ny6 tratra tao Anjoma, ny telo tao amin’ny Cite Canada, saingy ireto ekipa ireto dia misahana sy mifehy manomboka ao Depôt Analakininina sy Anjoma ary Canada ka hatrany Tanambao I sy II ary manodidina ny CRJS iny. Misy amin’ireto andian’ireto no mody mitondra posy amin’ny hariva sy ny alina, ao koa ny mody mpivarotra arina izay fomba fanafenan’izy ireo ireo antsy sy sabatra fampiasany. Ny angom-baovao ihany koa no nahalalana, fa ny 5 tamin’ireto fikambanan-jiolahy tratran’ny fokonolona sy ny polisy ireto, dia efa mpamerin-keloka avokoa sy efa namita sazy am-ponja, isan’izany i Dada sy Salomon, saingy nahavita ny saziny izay nihafohy noho ny famotsoran-keloka azon’izy ireo indroa miantoana ny taona lasa sy ny fiandohan’ny taona teo. Ankilan’izany dia nisy koa ireto tovolahy roa tratra noho ilay resaka vaky trano tao Antetezantona; tsy tao an-trano ny tompony tamin’io fotoana nahavaky ny tranony io ka saika lasan’ireo andian-jiolahy avokoa ny entana mitentina 10 tapitrisa ariary. Samy mbola hazonina amin’ireo fonjakelin’ny polisy avokoa izy ireo izao, noho ny fitokonan’ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny fitakiana ataon’izy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici