- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpianatry ny CEG telo voan’ny ambalavelona

Toamasina : Mpianatry ny CEG telo voan’ny ambalavelona

Ankizivavy telo, izay samy mbola mpianatra avokoa no voan’ny ambalavelona indray tao an-drenivohitr’I Betsimisaraka tao. Voatery noravaina araka izany ireo mpianatra tao amin’io sekoly araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary.  Ny talata lasa teo no nisehoan’ity trangan’aretina hafahafa mamely ireo tovovavy kely mpianatra ity, tao amin’ny CEG Ratsimilaho, Toamasina. Tao am-pianarana, ary teo am-panaovana « cours » mihitsy ireto tovovavy ireto no nihetsika ilay aretina, ary samy nihiakiaka sy nananga-torana avokoa. Natahotra noho izany ireo mpianatra, ka tsy maintsy nandray fepetra ny tompon’andraikitry ny sekoly nandrava ireo mpianatra. Raha ny fantatra dia efa naterina any amin’ny toeram-pitsaboana ireto ankizy nihetsika ambalavelona ireto. Hatreto tokoa dia mbola baraingo lehibe mipetraka amin’ireo tompon’andraikitra isanisany ny mahakasika ity karazan’aretina ity. Tsy Andrenivohitra, tsy ambanivohitra ary na hatrany amin’ny faritra aza dia saika mitovy avokoa ny fomba fisehoany ary saika ireto tovovavy kely manodidina ny 15 sy 17 taona eo no voa. Tapa-bolana lasa teo ihany koa mantsy dia fantatra nitrangan’izany karazan’aretina izany tany amin’iny faritra Anjozorobe iny, tao amina Lycée iray tany an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici