Niisa telo izy ireo, mpinamana avokoa ary samy mpianatry ny oniversite, niara-nilalao teo an-dranomasina ny zoma lasa teo. Nidiran-doza tampoka anefa satria nahery ny rano ary nentiny izy ireo. Samy nateliny tany izy telo saingy mba avotra soa aman-tsara ny roa rehefa navoakany, fotoana fohy taty aoriana. Ilay fahatelo kosa tsy mbola fantatra na maty na velona satria tsy mbola navoakan’ny rano hatramin’ny omaly. Raha ny fantara dia lehilahy avokoa ireto nidiran-doza ireto.
D.R