- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpirahalahy mpangalatra môtô nosamborin’ny polisy

Toamasina : Mpirahalahy mpangalatra môtô nosamborin’ny polisy

Ela nitoratorahana ka saron’ny polisin’ny kaomisarian’i Toamasina ihany ny farany izy mirahalahy, i Lantoniaina ilay zandriny mpangalatra sy i Fidiniaina ilay zokiny mpitahiry ny halatra, nandritra ny fikarohana natao ny alahady teo. Raha ny fantatra, dia efa tena asa fanaon’izy mirahalahy mihitsy ity halatra môtô ity, ka izay azony dia ravany ary tateriny tsikelikely miakatra eto Antananarivo, ary amidiny aorian’ny fananganany azy indray. Môtô an’olona andeha hiasa ny 11 novambra teo, nipetraka sy nihidy teo antokotany no lasibatra tamin’izany tokony tamin’ny 07ora maraina tao Tanambao Verrerie, ka tao Morarano no tratra ny alahady 15 novambra teo. Ankoatra izay, dia saron’ny polisy ihany koa ireo roa lahy mpamongady rongony i Lakosy sy mpivarotra antsinjarany rongony i Théodore; izay samy mpifoka ihany koa tao Tanamakoa P/elle 12/12. Tratra ambodiomby izy ireo ka tsy azony nolavina ny fiampangana azy, izay samy niaiky ny heloka vitany avokoa ireto efa-dahy tratra tamin’ny ratsy nataony avy ireto. Raha ny vaovao azo farany, dia miandry fitsarana am-ponja izy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici