- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpitandro filaminana maty tampoka tao anaty tranon-dopy

Toamasina : Mpitandro filaminana maty tampoka tao anaty tranon-dopy

Fahafaham-baraka tsy roa aman-tany no nahazo ny fianakavian’ity mpitandro filaminana miasa ao Toamasina; izay efa hivoaka hisotro ronono ny taona ho avy ity, satria dia teo am-piarahana tamin’ny sakaizany tao anatin’ity tranon-dopy iray tao Toamasina, no namoy ny ainy izy noho ny fijanonan’ny fony tampoka.

Raha ny fanazavana azo, dia tokony ho tamin’ny mitatao vovonana no namonjy io tranon-dopy io ity olona  ity sy ilay sakaizany. Tsy nijanona ela tao akory izy ireo, injay ny hatairain’ilay sakaizany niaraka taminy niantso vonjy tamin’ ny  tompon’andraikitra nisahana ilay tranon-dopy. Ireto farany no niantso mpitsabo nizaha ity mpitandro filaminana ity, tao anatin’izay no nilazan’ilay mpitsabo fa efa tsy avotra ny ainy noho ny fijanonan’ ny fony tampoka  sy ny fahatapahan’ny lalandra tamin’ny lohany . Io angom-baovao io ihany no nahalalana araka ny fanazavan’ilay sakaizany niaraka taminy, fa nihinana irony “pilina manga” mampatanjaka irony ity lehilahy ity talohan’ny filana nataon’izy roa tao, ka heverin’ilay mpitsabo nizaha azy fa vokatr’io “pilina manga” io no nahatonga ny fijanonan’ ny fony tampoka  sy  fahatapahana lalandra tamin’ny lohany. Samy manana ny vadiny izy roa nifangala-pitia ireto, ka ny vadin’ilay lehilahy anefa no tonga nizaha ny azy tao amin’ity tranon-dopy ity, fa ny an’ilay ramatoa kosa izay mbola tsy fantatra ny tohin’ny raharaha ho azy hatreto, dia tsy tonga tamin’izao raharaha izao.

Nandray ny andraikiny nikarakara ny razana ny mpiara-miasa aminy tao Toamasina; nomena ny hajany amin’ny maha mpitandro filaminana azy sy ny grady nananany ihany koa izy, ka ny alatsinainy teo no niala tao Toamasina ny fatiny nentina namonjy ny tanindrazany handevenana azy. Ilay sakaizany sy ireo mpiasa ary ny mpitantanana ilay tranon-dopy kosa  nandalo fanadihadiana mba hamantarana ny marina ny tena zava-nitranga tamin’izao raharaha izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici