- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpitari-posy mpanendaka nosamborin’ny polisy

Toamasina : Mpitari-posy mpanendaka nosamborin’ny polisy

Lasa tahotra ho an’ny olona, indrindra fa ireo vehivavy mandeha irery harivariva, ny mandeha posy tato ho ato ; ny antony dia ireo mpitondra posy indray no manendaka sy mandrava ireo olona entiny, indrindra raha fantany fa lavidavitra na mihazo lalana somary mangina. Efa betsaka ihany koa ny fitarainana voarain’ny polisy mikasika izany, ka tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity, dia tratran’ny polisy tao Tanambao II ny iray isan’ny mpanao izany, dia i « Tsiliva » na fantatra amin’ny tena anarany hoe Jean Metiste. Tsy nandà ny fiampangana azy i « Tsiliva » mpitari-posy mpanendaka, saingy raha nosavaina ny tranony sy ny teny aminy nandritra ny fisamborana azy, dia tsy nahitana fitaovam-piadiana toy ny antsy sy tady araka ny voalazan’ny fitoriana maro eo am-pelan-tanan’ny polisy. Noho io dia mbola mitohy ny fanadihadiana, satria mety misy namana izany ity mpitari-posy mpanendaka ity. Ankilan’izay dia saron’ny polisy tao Tanambao II ihany koa ireo mpivarotra rongony sy ireo rongony fivarony. Mpamongady an’ireo mpivarotra antsinjarany no ataon’ity ramatoa sy ilay rangahy tratra niaraka taminy, saingy nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny polisy ny boriborin-tany voalohany ao Toamasina, dia tsy tratra tao amin’izy roa ireo mpivarotra antsinjarany izany. Ankoatra izay dia tratran’izy ireo ihany koa nandritra ny fisafoana alina, ireo mpangalatra bateria sy kojakojam-piarakodia ao amin’ny fokontany Morarano Toamasina. Samy miandry fitsarana am-ponja avokoa izy dimy voasambotry ny polisin’i Tanambao II ireo, raha niakatra fampanovana sy mpitsara mpanao famotorana omaly misandratr’andro.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici