- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpivady maty nihinana trondro, ireo zanany roa manaraka fitsaboana

Toamasina : Mpivady maty nihinana trondro, ireo zanany roa manaraka fitsaboana

Tsy mbola afaka akory ny fahorian’ireo fianakaviana tany Antsiranana tamin’ny loza nahafatesana sy nankarary  olona marobe noho resaka hazandrano antsoina hoe “sardinelle” izay isan’ireo trondro misy poizina amin’ny fotoana mafana tahaka izao, dia nitranga indray izany teto Toamasina tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie ny alakamisy 14 desambra teo. Raha ny fanazavan’ny mponina dia karazana trondro hafa sy somary lehibe no nohanin’ireto fianakaviana miisa efatra, izy mivady sy ireo zanany mianadahy. Nataon’izy ireo laoka hariva ity trondro ity tsy ela taorian’ny sakafo anefa dia efa nitranga ny aretina satria avy hatrany dia fanina, narary an-doha be, narary kibo ary nivalana izy efa-mianaka, na izany aza mbola afaka niantso vonjy tamin’ny manodidina ihany hitondra azy ireo eny amin’ny hopitaly. Tsy tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana akory anefa dia maty teny an-dalana izy mivady. Ireo zanany mianadahy kosa mbola nahazo fitsaboana ihany ary mbola manaraka izany  ary efa misy fiatsarana ny fahasalaman’izy roa kely hatramin’ny nanoratana ny vaovao. Raha ny fanazavan’ireo mponina manodidina dia avy any Ambatondrazaka mila ravinahitra eto Toamasina izy efa-mianaka ireto. Ankilan’izany dia mametraka hafatra ho an’ny mponina eto Toamasina ny tompon’andraikitry ny fahasalamana sy ireo tompon’andraikitry ny harena an-dranomasina, fa manomboka ny volana oktobra hatramin’ny volana may, dia tena mila fitandremana ny fihinana trondro anaty ranomasina satria fotoana fanirian’ireo karazana zava-maniry madinika mitondra poizina izay tena tian’ny trondro sasany ny vanim-potoana io; tsy tsara sy tena tsy azo hanina ihany koa mandritra izany ireo trondro tia mipetraka anatin’ireo vatoara na Corail. Ireto avy ireo trondro tsara hitandremana mandritra io vanim-potoana io antsigôra, samaïtso, ampigny, sorindra, ambatsy harana, tazara, amatra, amalom-
bato, ango/bonity, boezarano/fiambazagna, kabô, landezan-dôha/azara/bekiny, lôhamena/laokomena, bimolotra, varavarà sarda, jolivandagna/ kasery fotsy, lagnoragna mena, lagnoragna trois taches, ambatsy mena/ fiantsara, lagnoram- pisaka, fano rehetra; araka ny fanazavana hatrany.

Malala Didier         

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici