- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpivady niady, nodoran-drangahy ny tranony

Toamasina : Mpivady niady, nodoran-drangahy ny tranony

Efa mahita atao ny olona sasany ao anatin’izao fahasahiranam-piainana izao, hany ka tsy misy eritreritra intsony ao anatin’ny fahatezerana sy fahasosorana. Tranga iray no niseho tao amin’ny bazary Valpinson omaly alatsinainy 27 febroary tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany maraina, satria dia sahin’ity rangahy ity ny nandoro ny tranon’izy ireo raha nisy ady vokatry ny olana ara-bola teo amin’izy mivady. Vao tonga maraina hoe avy niasa ilay rangahy, avy hatrany dia fitakiana vola no nataon-dramatoa taminy. Raikitra teo ny fifamaliana teo amin’izy ireo. Tsy nahatana ny hatezerany intsony ilay rangahy noho ny vava be nataon-dramatoa vadiny taminy, dia ny naka « briquet » nandoro ny tranon’izy ireo no nataony. Mpanofa anefa izy ireo amin’ity trano misy azy ireo ity. Nitory vokatry ny fahamaizan’ny tranony ny tompon-trano. May kila avokoa kosa ny entan’izy mivady ireto nandritra izao doro trano izao. Nitsoaka kosa izy mivady ireto raha vao nitranga ny fahamaizana, nefa efa mikaroka azy ireo ny polisy. Ny ezaka nataon’ny mponina manodidina no tsy nampitatra izany tamin’ireo trano hafa.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici