Tsy kely làlana ny ratsy fa manao izay hangalana ny vola eny amin’ny olona azony harebireby. Rehefa sendra ny tena mpisoloky gaigilahy, very ny vola ary mandraiki- marary mihitsy. Izany no nanjo ireto mpivady avy aty an-drenivohitra vonona hividy fiara 4X4 tany Toamasina. Olona roa, vavy sy lahy no nahafantatra fa hividy fiara izy ireo. Raikitra ny resaka ary dia nidina tany an-toerana ireo mpivady. Nilaza ireo mpisoloky fa mahafantatra tsara ny lehiben’ny seranana ka afaka mamoaka fiara ao izay efa hitadiavana mpividy. Nivahiny tamina hotely iray teny amin’ny Cité Canada ireo hividy. Rehefa tonga ny andro hangalana ilay fiara, dia nandeha naka vola tany amin’ny banky. Nomena fotoana tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Teo am-piandrasana izany, nandeha niverina tany amin’ny hotely ny mpividy sy ny mpisoloky. Ny loharanom-baovao no nahalalana, fa nandeha nividy ranom-boankazo ilay lehilahy. Fonosana roa samy hafa no nentiny ka ny iray azy mivady ary ny faharoa azy mpisoloky. Rehefa avy nisotro, dia fantatra fa natory ireo hividy fiara. Rehefa taitra izy ireo ora maromaro taty aoriana, tsy hita intsony ny kitapo kely nisy ny vola niaraka tamin’ny finday ary ny karapanondro. Nanjavona koa ireo olona roa. Torana tsy nahatsiaro tena izy mivady ary tsy maintsy niditra hopitaly nitsabo tena.
nangonin’i r.s.