Tokony ho tamin’ny 04 ora teo, omaly zoma 03 janoary 2020 tolakandro, dia tranombarotra karàna iray tao Anjoma – Bazary be no nisy nanafika. Andian-jiolahy efatra nanao taingin-droa tamin’ny moto scooter roa, miloko mena sy mainty, samy nitondra basy no nanafika ity tranombarotra mpivarotra lamba, an’ny teratany karàna ity. Vao niditra izy ireo izay nanao toy ireny mpividy rehetra ireny, ilay toerana nisy ilay mpivarotra ihany koa mangina taorian’ny fety, dia ny vola avy hatrany no notakian’izy ireo. Raha nilaza ho tsy nanana izany ireo teratany karàna mpivarotra tao dia nodarohan’izy ireo vodibasy ilay karana lahy efa antitra ka vaky ny lohany, ilay ramatoa kosa tsy naninona satria raha vao nahita ilay rangahy voadaroky ny vodibasy dia naka ny vola 800.000 ariary tao anaty vata sarihana sy ireo finday roa azy ireo tao anaty fivarotana. Vao nahazo izany ireto andian-jiolahy ireto dia lasa nitsoaka mbola samy nanao taingin-droa avy tamin’ny moto scooter mena ny iray sy mainty ny faharoa. Efa lasa moa ireto andian-jiolahy ireto vao sahy niantso vonjy ireto teratany karàna ireto, ka nanomboka teo vao raikitra ny fikarohana ireto andian-jiolahy nandrava azy ireto izay efa tsy hita. Ity tranga ity izany no fanafihana tranombarotra niseho tamin’ity taona vaovao 2020 ity, raha ny 24 desambra teo ny fanafihana farany nitranga ny taona nivalona iny izay niseho tao Bazary kely tsy lavitra ny kaomisarian’ny polisy misahana ny tananan’i Toamasina renivohitra. Tsy nahasakana ireo andian-jiolahy amin’ny asa ratsy ataony izany ny fanetsehana ireo polisy miisa 200 naparitaka eran’ny tanàna nanomboka tamin’ny fety hatramin’ny fivoahan’ny voka-pifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina farany teo nataon’ny talen’ny filaminam-bahoaka Atsinanana.
Malala Didier