- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpivarotra gazety fanta-daza notafihana andian-jiolahy

Toamasina : Mpivarotra gazety fanta-daza notafihana andian-jiolahy

Miverina indray ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo andian-jiolahy amin’ireo olona efa hahazoan’izy ireo vaovao mialoha amin’ny vola misy eny aminy. Ny alarobia hariva teo raha hamonjy fodiana ity mpivarotra gazety fanta-daza ao Bazary be Toamasina ity, dia efa nandrasan’izy ireo teo lalana miditra ny tranony ao Tanambao V. Avy hatrany dia ny vola teny aminy no nanontanian’izy ireo azy, ka lasan’izy ireo tamin’izany ny poketra nisy ireo vola matiny tamin’ny varotra nataony ny alarobia, lasan’izy ireo koa ny findainy sy ny moto fitondrany amin’ny asa fanaony. Tsy nisy aloha ny ratra nandritra izao fanafihana andian-jiolahy mitam-basy ity mpivarotra gazety ity, fa ny tahotra no betsaka teo aminy sy ny fianakaviany izay tsy lavitra teo amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana azy. Vao nahazo ny nilain’izy efa-dahy nanafika azy tamina basy PA dia lasa avy hatrany, koa na tonga ny mpitandro ny filaminana raha naharay antso mikasika ny zava-nisy dia efa nanjavona ireto andian-jiolahy efatra ireto. Ny angom-baovao ihany no nahalalana fa efa nisy nanara-maso efa hatrin’ny ela ity mpivarotra gazety ity amin’ny fodiany hariva be noho asa ataony, ka tamin’izao fanafihana nahazo azy izao dia efa nisy ekipan’ireto andian-jiolahy efatra no efa nanara-maso azy raha niala teo amin’ny trano fivarotany ny tenany…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici