- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nadège: maty novonoina ny alin’ny 31 desambra

Toamasina : Nadège: maty novonoina ny alin’ny 31 desambra

Mbola hifandroritan’ny havany sy ny polisy ny fomba nahafaty an’ity tovolahy antsoina hoe Nadege ny alin’ny 31 desambra teo, raha namonjy fodiana avy nihatrika ny alin’ny krismasy niaraka tamin’ny namany. Samy manana ny fandikany ny zava-nitranga ny andaniny sy ny ankilany mikasika izany.

Ho an’ny fianakavin’ny maty dia niniana novonoina noho ny fidarohana ny havany no niteraka ny fahafatesany izao. Raha namonjy fodiana niaraka tamin’ny namany roa i Nadege no voalaza fa efa narahan’andian-jatovy; vao nisy ny fifandonana teo izy ireo dia raikitra avy hatrany ny ady. Noho ny tahotra dia nitsohaka izy telo niara-dia ireto izay samy nanana ny lalany, nefa dia i Nadege hatrany no narahan’ireto andian-jatovo ireto. nantsoin’izy ho “mpangalatra” izy raha ny filazan’ny havany ka raikitra teo ny “fitsaram-bahoaka”. Na teo aza ny ratra mafy nahazo azy, dia ny andron’ny krismasy izy vao nentin’ny polisy nisambotra azy namonjy hopitaly ka tsy tana intsony ny ainy hoy ny havany.

Ny fanazavan’ny polisy voatonona amin’izao raharaha izao kosa dia mpanedaka tratran’ny fitsaram-bahoaka ka ny fahatongavan’ny polisy no tsy nahafaty azy teo amin’ny arabe, fa mbola nentina namonjy birao ary notsaboina teny amin’ny hopitaly be taorian’izay. Tsy mpamono olona ny polisy hoy izy ireo fa ny firongatry ny fitsaram-bahoaka no zava-nisy nitera-doza izao, satria olona efa maratra be no hitan’ny polisy ary izy ireo no niaro ilay tovolahy sy nitondra azy niala ny daroka nahazo azy.

Zon’ny havany anefa ny mitory raha misy ny zavatra ahiahiany mikasika ny raharaha, efa misy izany izao ary efa mandeha ny fanadiadiana sy fihainoana ireo vavolombelona samy hafa miaraka amin’ny havan’ny maty amin’ity raharaha nahafaty an’i Nadege ity, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici