« Saika tsy fitandremana vokatry ny fahazaran’ny olona avokoa no niteraka ireo hain-trano teto Toamasina ny taona lasa iny. Raha tsy mbola voatandrin’ny olona izany fahazarany tsy mahasoa azy sy ny mpiara-monina aminy izany, dia mbola hihamafy ny tranga hiseho amin’ity taona vaovao ity », izay no nambaran’ny kolonely Charles Desiré, talen’ny mpamonjy voina sy hain-trano eto Toamasina.
Tamin’ireo hain-trano niisa 63 novonjen’izy ireo ny taona nivalona iny, dia ny 98% tamin’izany dia vokatry ny tsy fitandremana avokoa. Teo ny fampiasana afo nefa tsy misy olona ao an-trano, na ankizy irery ihany, nefa ny ankamaroan’ny trano niavian’ny afo dia vita amin’ny fitaovana natoraly mora mirehitra avokoa. Teo koa ireo vokatry ny herinaratra sy fampiasana taribin-jiro tsy mifanaraka amin’ny herinaratra fampiasa an-trano. Tamin’ireo tranga niseho dia betsaka kokoa izany ny telovolan’ny taona voalohany, izay niisa 18, sy ny telovolana faran’ny taona izay niisa 29. Raha ny teo amin’ny fisahanana ireo faty eny an-dalana sy maty an-drano kosa, dia mandritra ny fotoam-pialana sasatra no tena itrangany ho an’ny maty an-drano, ka ny « ranomasin’ny lisea » sy ny ranomasin’ny « cite canada » no tena hitrangany, raha ny ao Ankirihiry sy Tanambao V kosa no tena ahitana faty olona an-dalana eto Toamasina, izay betsaka kokoa tamin’ny telovolan’ny taona ka nahatratra 12 izany ny taona lasa.
Amin’ity taona vaovao ity dia manana fandaharam-potoana hanabe sy hampianatra ireo tanora eny amin’ny sekoly ara-panjakana sy tsy miankina ny sampan’ny mpamonjy voina sy hain-trano eto Toamasina. Maniry koa izy ireo ny hisian’ny fifanatonana sy fiaraha-miasa eo amin’ny ben’ny tanànan’i Toamasina I, sy ny ao Toamasina suburbain, ary ny any Mahavelona Foulpointe ; mba hisian’ny fifanampiana tsy hisian’ny trangana hain-trano goavana tahaka ny taona nivalona iny intsony…
Malala Didier