
Isan-taona dia manao asa soa amin’ny firenena iray eran-tany ny fikambanana avy ao Chine antsoina hoe “Chine Foundation for Rural Development”. Tany amboalohany ny taona 2022 dia niisa 1000 ny bisikileta natolotry ny firenena Cambodge. Fanolorana fitaovanam-pitateraha efa tsy ampiasain’ny sinoa an-davanandro intsony no natolony satria mbola azo ampiasaina tsara amin’ny fiainana isan’andro. Bisikileta 5000 no natolotra ny firenena efatra ka isan’izany i Madagasikara izay nahazo bisikileta 100 ifampizarana amin’ireo sekoly sy ny mpiasa ao aminy. Isan’ny notolorana izany ny sekoly sinoa eny Ampasimazava Toamasina, ka nahazoan’ireo mpianatra tsy manana fitaovam-pitaterana ireo bisikileta ireo. Tonga teto Toamasina mihitsy ny mpanolotsainan’ny Masohivoho sinoa eto Madagasikara amin’ny resaka politika nanolotra izany nahitana an’Atoa Chen Hao. Sekoly manana ny lazany eto Toamasina indrindra amin’ny voka-panadinana ny sekoly, satria efa tany amin’ny taona 1938 no niorenan’ny sekoly, ka raha trano hazo izy taloha dia vita trano vato izy ankehitriny ialana amin’ny rivodoza matetika eto Toamasina. Miisa 440 ny mpianatra ankehitriny, miisa 34 ny mpanabe ao aminy, ary manomboka ny garabola hatramin’ny taona famaranana no misy ao. Rtoa Ravelomanantsoa Alice ny tale ankehitriny miaraka amin’ireo mpanampy azy rehetra amin’ny fitantanana sy fanampiana ny sekoly.
Malala Didier




