- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nahitana fatin-jaza teo amoron-dranomasina

Toamasina : Nahitana fatin-jaza teo amoron-dranomasina

Tena hatairana ny an’ireto mponina mipetraka eny amin’ny manodidina ny fokontany Vohitsara Toamasina ny sabotsy maraina teo, raha nahita ity fatin-jaza efa hary manodidina ny telo volana eo, sady feno ratra no tapakapaka ny taolany indrindra ny eo amin’ny Tanana sy ny tongony. Raha ny fanazavan’ny mponina dia ny fivovoazan’ny alike tsy nety nijanona nahita ity fatin-jazakely ity teo amin’ny tora-pasiky ny amoron-dranomasina tao Vohitsara no nitarika azy ireo nijery ny zava-nisy. Ny fanazavan’ny mpitsabo nijery ilay fatin’ity zazakely vao telo volana ity teny amoron-dranomasin’ny fokontany Vohitsara, no nahalalana fa niniana novonoina ity zazakely ity raha ny ratra sy ny fahatapahana nahazo azy. Hatreto anefa dia tsy fantatra ny ray aman-dreniny, far aha ny filazan’ny mponina ao an-toerana dia mino izy ireo fa tsy olona ao amin’ny fokontan’izy ireo no nahavita izao, satria hatramin’izay dia ataon’ireo fokontany hafa fanariana fatin-jaza avy amin’izy ireo ny tora-pasiky amoron-dranomasin’ny fokontany Vohitsara, mba hanasoketana azy ireo. Misokatra ny fanadiadiana rah any nambaran’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, satria vono olona niniana natao sy efa nomanina no nahafaty ity zazakely telo volana ity…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici