Ny zoma teo no niakatra fampanoavana sy mpitsara ny zaza tsy ampy taona mpanao famotorana, ilay mpanazatra baolina kitra voarohirory nanolana ireo ankizy nampianariny baolina kitra tao Vohitsarana Toamasina. Tonga moa dia notazonina vonjimaika any am-ponja izy miandry ny fitsarana azy. Araka ny vaovao dia manambady aman-janaka saingy mipetraka eto Antananarivo ity olona ity. Voalazan’ny vaovao avy amin’ny polisy misahana ny heloka be vava Toamasina fa tsy nanda ny fiampangana azy ity mpanazatra ity, saingy nanilika ny heloka vitany kosa tamin’ny filazany fa « nidirana devoly aho, ka nahavita ny tsy fanao tamin’ny fanolanana ireo zazalahy mpianatro ». Ny vaovao teo anivon’ny polisy misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona kosa no nahalalana, fa notambazany amin’ny fitondrana ireo mpianany baolina kitra hilalao any Moramanga sy Antsirabe ireto zazalahy 13 taona hatramin’ny 15 taona tezainy ireto. Miisa efatra no nijoro vavolombelona teo anivon’ny fitsarana, ankoatra ireo roa nangina taorian’ny fahavoazany, ka nanaiky ny nanaovany ny filan-dratsiny, nandritra ilay « fizahana ara-pahasalamana » nataony. Ny iray tamin’izy ireo, izay tena tiany, 13 taona, kosa dia notambazany hoentina any Brésil mihitsy, ka nohararaotiny nanaovany filana ara-nofony in-efatra be izao tao anatin’ny iray volana nitaizany azy. Fanaovana vetaveta amin’ny zaza tsy ampy taona sy fananararaotana ara-nofo amin’ny zazalahy tsy ampy taona, « pédophilie », no anenjehana azy, izay heloka be vava voaporofo tena enjehin’ny lalana malagasy.
Malala Didier