- Publicité -
mercredi, novembre 19, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Nandratra polisy, natao hazalambo

Toamasina : Nandratra polisy, natao hazalambo

Izy sy ny namany roa no indray voasambotra teo am-pisotroana toaka. Raha araka ny fanamarihan’ny polisy dia efa niomana ny handeha hanafika indray izy ireo tamin’io fotoana io. Ny tsy nampoizin’ireo anefa dia efa nanaovana fanarahan-dia nandritry ny fotoana elaela izy telo lahy. Izany dia nanomboka teo amin’ny nitrangan’ilay herisetra tamin’ny polisy iray tao an-toerana izay raha tsiahivina fohy dia tapaka nikirozaroza mihitsy ny tanan’io mpitandro ny filaminana io. Olon-tsotra no nahazoan’ny mpanao fanadihadiana vaovao ary nanomboka teo koa no nanaraha-maso ireo jiolahy. Efa teo am-piomanana ny hanafika ao Tanambao-Verrerie indray izy ireo no izao voasambotra izao, raha araka ny fanampim-panazavana hatrany.  

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici