Tsiravina izay nahita. Nijininika eran’ny làlana ny rà na dia nezahin’ilay mpangalatra nofatorana tamin’ny ravin-kazo aza ny tànany. Tsy lasa lavitra fa tokony ho teo amin’ny 600 metatra teo dia nidona tamin’ny “taxi-phone” izy ary nitsirara tamin’ny tany. Mbola mivandravandra be ary nisy aina kely. Omaly, tokony ho tamin’ny valo ora maraina, no nitrangan’izany teo akaikin’ny Tsaratsiry, Mangarano-Toamasina. Niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay lehilahy tokony ho eo amin’ny 30 taona eo rehefa tratra ambodiomby nangalatra moto scooter. Nokatsanana tamin’ny antsibe ny tanany an-kavanana ary tena tsy nisy intsony. Mba nisy olona nitsetra ihany nahita azy ka nanome vola arivo ariary handehanany posy mankany amin’ny hopitaly. Notazoniny anefa ilay vola ary notohizany tamin’ny tongotra ny lalana. Tsy lasa lavitra dia nitsirara tamin’ny tany izy noho ny rà very. Ny polisy miandraikitra ny fifamoivoizana no nahita azy ary nandrara ny olona tsy hitangorona. Taorian’izay dia tonga teo ny pôlisy ary naka azy teo amin’ilay toerana. Raha araka ny vaovao farany azonay tany an-toerana dia mbola miady amin’ny fahafatesana any amin’ny hopitaly ity lehilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka ity. Haingana dia nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny sary sy ny sarimihetsika momba ity tranga ity. Nisy olona sendra nandalo mantsy nahatsikaritra ny zava-misy ka nizara an’izany avy hatrany. Onena ny olona ary amin’ny ankapobeny dia nitsetra an’ilay niharan’ny fitsaram-bahoaka avokoa. “Tsy rariny ny fandatsahan-drà, satria manana ny zony izy na mpangalatra aza…” izay amin’ny ankapobeny no hevitry ny maro. Mbola nampahonena ny mpitsidika tranonkala ihany koa ny hoe tsy nandehanany posy ilay vola arivo ariary fa…notazoniny teny aminy.
Toa midika izany fa tena tsy fananana mihitsy no nitarika ilay olona nangalatra. Mbola taratra ihany ity tranga omaly ity fa mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka. Tsy matoky ny fanjakana ve ny olona sa leo tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana kosa? Anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra.
D.R