- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Niakatra fitsarana ny raharaha nahafaty ny Dokotera Laivao Michel

Toamasina : Niakatra fitsarana ny raharaha nahafaty ny Dokotera Laivao Michel

Omaly no natao tao amin’ny Fitsarana ady heloka tsotra any Toamasina ny raharaha nahafaty ny Dokotera Laivao Michel ,izay niseho tamin’ny taona 2011. Araka ny fangatahan’ny mpitory dia nahemotra amin’ny fotoana manaraka izy io. Neken’ny fitsarana izany fangatahana izany. Telo taona aty aoriana izany dia hosokafana indray ny fanadihadiana. Ireo olona voarohirohy tamin’iny zavatra iny moa dia nahazo fahafahana vonjy maika avokoa. Efatra tamin’ireo 14 anefa no nipoitra tao amin’ny Fitsarana omaly.

Nisy olona iray voarohirohy tamin’ilay “kidnapping” niseho farany tany an-toerana no voalaza fa nanana zavatra nambara mikasika iny fahafatesana iny. Tamin’ny famotorana azy dia maro ny zavatra nolazainy ka anisan’izany ny hoe namany telo no nanao iny zavatra tamin’ny 2011 iny. Ity nanao fanambarana ity dia anisan’ireo naratra tamin’ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana. Ireo namany roa  dia maty daholo.

J.C. Steve

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser