- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Niampy 44 ireo mpamonjy voina sy hain-trano

Toamasina : Niampy 44 ireo mpamonjy voina sy hain-trano

Ny alatsinainy teo tao amin’ny lakazerin’ny mpamonjy voina sy hain-trano eto Toamasina, no natao ny famoahana teo ambany faneva ireo mpamonjy voina sy hain-trano vaovao miisa 44 mianadahy nampitondraina ny anarana “santatra” izay niofana nandritra ny 03 volana. Nitso-drano azy ireo tamin’izany ny PDS-n’ny kaominina, Atoa Razafimanana Jean Christian.

Ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano ao amin’ny kaominina no nangataka izany teo anivon’ny kaominina noho ny tsy fahampiany sy ny fahanteran’ny mpiasa misy ankehitriny, ka neken’ny mpanolotsaina nandritra ny fivoriana sy ny safidy nataon’izy ireo, ary izay no nahatonga azy 44 mianadahy notolorana ny naoty maha-mpiasan’ny kaominina azy ireo ao anivon’ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano ny alatsinainy teo. “Sahy sy mahafoy tena” izay no teny filamatry ny mpamonjy voina sy hain-trano eto Toamasina, satria ny anjara asan’izy ireo dia ny mamonjy ny vahoaka sy ny fananany amin’izay mety ho fahamaizany. Nandritra ity lanonana ity no nararaotan’ireo mpamonjy voina sy hain-trano nangataka tamin’ny mpanatanteraky ny kaominina ny hijerena azy ireo. Eo aloha ny momba ny karama sy tambin-karaman’ny mpiasa, eo koa ny tambin-karaman’ny komandan’ity sampana ity, izay 26 volana mbola tsy voaloa hatreto, ary ny momba ny solika ho azy ireo izay antony mahatara ny fahatongavan’izy ireo amin’ny andraikiny mazana ka takian’izy ireo mba ity sampana ity no hitantana azy ny taona ho avy io. Ankoatra izany dia nambaran’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominina (PDS), Atoa Razafimanana Jean Christin, fa ezaka efa vita saingy miandry ny ben’ny tanàna vaovao ny fametrahana mpamonjy voina sy hain-trano isaky ny boriborintany 05, ka ny ao Ankirihiry sy ny ao Morarano no hanombohana izany.

Nambaran’ny PDS ihany koa fa efa neken’ny mpanolotsaina fa miandry ny fankatoavan’ny prefektiora ny fiantohan’ny kaominina ny jiro sy ranon’ny CEG sy ny Lycée eto Toamasina manomboka ny taona vaovao 2020 io. Ny eo anivon’ny EPP kosa dia miandry ireo mpanolotsain’ny kaominina sy ny ben’ny tanàna vaovao hanapaka azy indray.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici