Hampandry fahalemana no antondian’ireo pôlisy antsoina hoe “saka mainty” avy eto an-drenivohitra. Efa andro vitsivitsy izy ireo no tany nanao ny asany. Na izany aza anefa dia mbola misy ihany ny asan-jiolahy any amin’ny toerana sasantsasany. Isan’izany ny fahitàna fatin’olona iray feno dian’antsy teo akaikin’ny CRJS Toamasina. Mandeha ny fanadihadiana momba ity vonoan’olona ity. Lasa faritra mena amin’ny asan-jiolahy ny renivohitra ekonomikan’i Madagasikara. Anton’ny nandefasana mpitandro ny filaminana nofanina manokana hampandry tany izany. Andrasana ny mety ho vokatr’izany.
Articles qui pourraient vous intéresser