Nirefodrefotra ny basy tao an-drenivohitr’i Toamasina omaly. Nifampitifitra ny jiolahy sy ny pôlisy, tao amin’ny fokontany Tanamborozano. Nifanenjika ary tonga hatrany amin’ny toeran-kafa indray. Izany rehetra izany dia naharitra adim-pamantaranandro roa. Jiolahy roa no voatifitra teo amin’ny tongony tao anatin’izany fifanjevoana izany. Hatreto izany dia olona telo no voasombotry ny pôlisy. Izy ireo hatreto no voarohirohy voalohany ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo mpiralahy mpifanolo-bodirindrina, afak’omaly. Mbola izy ireo ihany koa no voalazan’ny mpitandro ny filaminana, fa namono ilay sinoa izay notifirina mba nahazoana ny “collier” volamena teny aminy. Omaly ihany dia efa nosokafana ny fanadihadiana momba ireto voarohirohy amin’ny heloka bevava ireto. Mbola misy hafa karohana, raha araka ny vaovao azo hatrany.
Nangonin’I D.R