Raha mbola tsy fantatra ireo andian-jiolahy efatra nanafika tao amin’ny tranombarotra Su Lone Bazary be, sy ireo nahavita ny fanafihana mpivarotra tao Mahavelona Foupointe, dia trangana fanafihana mitam-piadiana hafa indray no nitranga omaly alatsinainy teo tokony tamin’ny 5ora sy 40min.
Tranombarotra an’ny orinasa Airtel eto Toamasina izy ity, izay manao ny asa fandefasam-bola sy fandraisam-bola, hita amin’ny arabe « Boulevard de l’UA » manakaiky ny tobin’ny Total Manguier amin’ny toerana misy ny trano fandraisam-bahiny « l’Etape ». Andian-jiolahy dimy nitondra moto roa, manga be sy mainty, no nanao ny fanafihana ny vola tamin’ny fotoana fikatonan’ny Airtel mihitsy. Tsy nisy nanao saron-tava izy dimy lahy, fa ilay nitondra ny basy PA ihany no nanafina ny endriny tamin’ny fanaovana aro loha fotsy. Nanapoaka basy in-3 ireto jiolahy, ka ny roa tao anatin’ilay tranombarotra nandritra ny fifampisintonana tamin’ilay sakosy nisy ny vola, ary ny fahatelony dia teo ivelany nentin’izy ireo nanaparitahana ny olona nitangorona izay tsy nisy nitsoaka lavitra na teo izany. Nanao taingin-telo ireo nitondra ny moto mainty, taingin-droa kosa ireo niaraka tamin’ny moto manga be izay nitondra ilay nihazona ny basy. Tsy fantatra mazava ny sandan’ny vola lasan’ireto jiolahy, nefa raha jerena amin’ny mpanjifan’ity orinasa Airtel ity dia tsy latsaka ny am-polony tapitrisa ariary. Nihazo ny lalana mankany Tanambao I iny ny lalan’izy izy dimy lahy nitsoaka ireto taorian’izay. Nentina haingana teo anivon’ny hopitaly be notsaboana kosa ilay tovolahy tao anatin’ity tranombarotra Airtel voatifitra teo amin’ny sandriny havanana manakaiky ny sorony.
Tonga haingana avokoa ireo mpitandro ny filaminana avy amin’ny polisim-pirenena, saingy haingana be ihany koa ny fanafihana nataon’ireo andian-jiolahy dimy. Omaly hariva be sy ny alina dia mbola nitohy ny fanaraha-maso nataon’izy ireo entina hamantarana sy hanatrarana ireto andian-jiolahy ireto.
Malala Didier