- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nirehitra ny trano feno solika bizna

Toamasina : Nirehitra ny trano feno solika bizna

Loza tanteraka no nitranga raha tsy haingana dia tonga ny mpamonjy voina ary nifehy ny fiparitahan’ny afo. Ny alin’ny alatsinainy teo, nandritry ny famindràna solika tao anaty fasiana azy no nafana loatra ny vy izay nandalovany ary niteraka firehetana. Tao anatin’ny fotoana fohy dia niparitaka eraky ny trano ny afo ary tsy maintsy niantsoana mpamonjy voina amin’izay. Tsy nisy sahy nipoitra teo ny olona tao an-trano satria tsy misy azo afenina intsony ny fandikan-dalàna dia ny fitazomana akora mampidi-doza an-trano izany ary tsy misy afa-tsy ny mpibizna solika ihany no sahy manao izany. Tonga teny an-toerana rahateo ny zandary ary vao mainka tsy nisy hita ny mpiambina ny trano. May kila forehitra ny toerana ary isan’ny hita nitsonika tao ny kodiaran-droa iray. Izany dia mba hahazoana sary an-tsaina ny hamafin’ilay firehetana. Ny olona teo amin’ny manodidina dia efa niala tsikelikely tao an-tranony noho ny tahotra sao hihitatra ny afo. Mba tsy tonga tamin’izay anefa satria nalaky dia tonga ny mpamonjy voina. Feno bizina solika i Toamasina noho ny fisian’ny orinasa maro izay ao an-toerana ary koa ny fisian’ny seranana izay handalovan’ny sambo mpamatsy solika

.D.R

Ikopa : Mpitondra lakana, maty nalentiky ny rano

Omaly atoandro no nitranga ny loza teo amin’ny reniranon’Ikopa izay mifanandrify amin’Ampasika. Hiampita ny renirano no tanjon’ilay lehilahy ary teo ampovoany teo dia nivadika tampoka ilay fitaovam-pitaterana. Raha araka ny tombana dia noho ny fisian’ny lavaka lehibe tampoka vokatry ny fangalàna fasika eo amin’io renirano io. Natao avokoa ny ezaka ny haka azy tao saingy tsy nisy afa-tsy ny mpamonjy voina no nahavita naka ilay olona izay indrisy fa efa tsy nisy aina intsony. Nampiakarina an-teny izany sisa no azo natao tamin’ilay vatana mangatsiaka. Tsy mihoatry ny roa minitra dia efa maty ny olona raha milentika ao anaty rano, raha araka ny fanazavàn’ny mpamonjy voina. Kely arak’izany ny vintana mety hahavonjy olona raha tsy faran’izay haingana dia misy mahita ny nanjo azy torak’izany koa, faran’izay haingana ny fidinana an-tsehatra. Azo heverina fa efa mahay ny pitsony amin’iny renirano iny ilay olona saingy tsy nampoiziny ny fisian’ny lavaka izay lehibe loatra tao anaty rano. Mitera-doza ary ve izany ny fangalàna fasika eo an-toerana ?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici