Tsy mifidy harapaka intsony, araka ny fomba fiteny, ireo olon-dratsy amin’izao fotoana izao. Niharan’ny fanafihana mitam-piadiana mantsy ny hôpitaly manara-penitra, tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka tao. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia roalahy mitam-basy no niditra an-keriny tao amin’ny fivarotam-panafodin’ity hôpitaly ity, omaly vao maraim-be tokony ho tany amin’ny iray ora maraina tany ho any. Raha ny vaovao voaray hatrany dia vola mitentina eo amin’ny 25 tapitrisa teo ho eo no very nandritra izany fanafihana mitam-piadiana izany. Maty rahateo ihany koa ny jiro tany an-toerana tamin’io fotoana io ka nanararaotra ireo jiolahy, namantana avy hatrany tany amin’ity toerana fitobian’ny fanafody sy ninoan’izy ireo fa nisy vola ity. Nambara fa naratra mafy vokatr’izay fanafihana izay ihany koa ny mpiambina ity hôpitaly ity. Taorian’ny nitrangan’ny fanafihana no tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana, saingy efa nadio ny rano nitàn’ireo olon-dratsy. Mifamahofaho be ihany ny momba ity tranga ity, raha ny loharanom-baovao akaikin’ireo mpitandro filaminana avy any an-toerana. Tsy fantatra mazava mantsy raha tena fanafihana mitam-piadiana no nisy na handrana fotsiny ihany noho ny fisian’ny volabe tao amin’ity hôpitaly ity. Na izany na tsy izany anefa dia mbola mitohy ny fanadihadiana mikasika ity tranga ity ary inoana fa hivaly tsy ho ela, hahalalana ny marina momba ity fanafihana hôpitaly nahavalalanona ny mponin’i Toamasina ity.
m.L