“Efa tena fomban’ny Malagasy ve ny tia kely sy manararaotra ny fahorian’ny hafa, ka na ireo vary tsy misy afa-tsy 05kgs isan’olona ho an’ireo mahantra sy traboin’ny rivo-doza aza dia mbola misy mangalatra tsotra izao ihany”. Izay no nambaran’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana tafaresaka taminay, mikasika ny zava-misy nandritra ny fizaram-bary natolotry ny filoham-pirenena ny sabotsy teo, izay milanja 100 taonina avy amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka amin’ny fanjakana. Araka ny angom-baovao marim-pototra azo dia nangalaran’ireo tompon’andraikitry ny antokon’ny filoham-pirenena Hvm Toamasina ny 25 lasaka tamin’ireo vary nozaraina tamin’ireo mahantra sy traboina noho ny rivo-doza “AVA” ireo. Tsy vitan’izany fa ireo fianakaviana Hvm sy ireo fiakavian’ny mpizara ilay vary na tsy traboina aza dia nahazo 05kgs isany avokoa. Ireo tena mahantra sy ireo tena traboina anefa dia zara raha nahazo 01kgs, nisy aza tsy nahazo afa-tsy iray kapoaka monja. Nandritra ny fandalovan’ny filohan’ny antenimieran-doholona sady filohan’ny antokom-pitondrana, Rivo Rakotovao, teto Toamasina ny alahady teo anefa, dia isan’ny notolorany fanampiana ara-bary manokana ireo mpiara-dia taminy, izay mody nafenina tamin’ny asa tana-maro tamin’ny fanadiovana ny Bd Ralaimongo, Mangarivotra – Ambohijafy, iny. Mitaky ny fanokafana fanadihadiana mikasika ity fanodinkodinana sy fangalarana ny vary natokana ho an’ny traboin’ny “AVA” teto Toamasina nataona tompon’andraikitry ny Hvm Toamasina ity ny vahoaka, fa lasa fahazarana ho azy ireo izany ka ny fanjakana no mahazo tsiny tsy mijery vahoaka.
Malala Didier