“Tena sahirana izahay mitady fimailo izao, tsy mahita intsony izahay eny an-tsena nefa fomba iray hiarovako tena amin’ny filako ny fampiasana azy io”, izay no nambaran’ity tovolahy iray nitaraina mikasika ny tsy fahitany ity fiarovana amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ity eto Toamasina, tato ho ato izay. Raha natao tokoa ny fanadihadiana amin’ireo mpivarotra misy soratra mivarotra izany maromaro eto Toamasina, dia tena tsy manana tahiry intsony izy ireo noho ny tsy fisian’ny famatsiana azy ireo intsony, nefa ny fimailo amidin’izy ireo no mora sy zakan’ny volan’ny olon-drehetra amin’ny fiarovan-tenany amin’ny aretina sy amin’ny vohoka tsy nirina. Na izany anefa ireo mbola manana tahiry tany aminy dia lasa mivarotra ity fimailo ity lafo dia lafo, satria lasa misy mivarotra 2.000 ariary ny singany iray amin’izany izao eny amin’ireo tsena mpivarotra izany. Ankilan’izay anefa dia misy ireo fimailo hatrany, eny amin’ireo mpivaro-panafody, saingy tsy natao ho an’ny daholo be izany noho ny vidiny. Koa na lafo aza izy ireny dia eny ankehitriny no mivatsy izany ireo mpampiasa azy amin’ny filany. Ankoatra ny olan’ireo mpampiasa izany ho fiarovan-tenany amin’ny filany, dia fantatra ihany koa izao fa mijaly ireo olon-kafa mampiasa izany amin’ny zavatra indray. Eo ireo mpampiasa izany ho fanatsarana ny volo izay mampitsiry ny volo mihintsana izany sy mampaniry ny loha sola, eo koa ireo mpanjono sy mpanarato mampiasa azy ireny koa entina hamonosana ireo “lampe de poche” hitsirihana sy hakana orita sy dingadingana. Hatreto aloha dia tsy nisy nahazoana fanazavana ny antony, sy milaza ny tsy mahalala mikasika ny tsy fahitana fimailo an-tsena ireo tompon’andraikitra rehetra nanontaniana.
Malala Didier