Tranga tsy fahita saiky niheso teto Toamasina ny zava-nisy tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana, ny sabotsy antoandro teo tokony ho tamin’ny 12ora. Zazarano mbola natao tao anaty fonosana “sachet” no hitan’ny olona teo an-tokotanin’ity Lapan’ny Faritra ity. Raha ny fahitan’ny mpitsabo nizaha ilay zazarano nisy nanary taorian’ny fanalana azy, dia tokony ho valo volana eo izy ity izany hoe zaza tokony efa hateraka satria efa tena feno tsara avokoa ny taova sy ny maha-zaza azy rehetra. Raha ny fahitan’ny mpitandro ny filaminana azy, dia tsy irony zazarano natsipy noho ny tahotra irony ny nahitana azy teo an-tsisin’ny Lapan’ny Faritra ao an-damosin’ny lapa, fa tena napetraka tsara mihitsy, saingy tsy nisy nahita ilay nanary ireo olona nametraka azy nandritra izany. Samy nanana ny heviny ny rehetra tamin’ny fahitana ity zazarano nisy nanary tao an-tokotanin’ny Lapan’ny Faritra Atsinanana ity, teo ny nanome tsiny izay reny nahavanona izao zava-doza sahy namono zaza tsy manan-tsiny izao. Teo kosa ireo nilaza somary hanihany, fa tsy tongatonga ho azy ny nametrahan’izay reny nahavita izao teo an-tokotanin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana, fa mety tao ihany no olona nahabevohoka tovovavy tany ho any nefa tsy nandray ny andraikiny amin’ny maha-ray ka nasehon’ilay reny tamin’izao fihetsika nataony izao ny marina mikasika ny zava-niainany; nefa teo koa ny nampifandray ny zava-niseho tamin’ny resaka poliika izay hoe hafatra ho an’ny fitondrana ny mba hijerena akaiky ny fiainam-bahoaka miaina ao anatin’ny lavaka izao. Na eo izany rehetra izany, dia misokatra ny fanadihadiana ataon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy fanaovana heloka be vava, mba hamantarana izay reny sy izay ray nahavita ity heloka bevava famonoana olona ity.
Malala Didier