vendredi, avril 18, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina. Nitsangana tao amin’ny « morgue » : nesorina ny odiny vao...

Toamasina. Nitsangana tao amin’ny « morgue » : nesorina ny odiny vao tena maty

jiolahyNitana ny sain’ny maro ny momba ilay jiolahy izay efa maty voatifitra kanefa nitsangana nitsoaka indray tao amin’ny tranom-paty. Tsy niala ny ainy raha tsy nesorina avokoa ireo zavatra miloko mena tao amin’ny efitrano nitazonana azy. Nandoa zavatra mavomavo izy ary avy eo nijinika ny rà tamin’ny tenany. Ity farany dia vokatry ny balan’ny basin’ny mpitandro ny filaminana nifatratra tamin’ny vatany. Nohazonina tao amin’ny efitrano fandraisana marary ao amin’ny hopitaly be Toamasina ity tovolahy vao herontrerony. Roa andro taty aoriana vao tapitra ny ainy. Isan’ireo jiolahy telo matin’ny mpitandro ny filaminana, manao savahao ireo jiolahy ao amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana io tovolahy io sy ireo namany. Mbola nahavita namoha ny varavaran’ny tranompaty izy ary tonga soa aman-tsara teny amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny. Noho ny ratra teny aminy, tratra indray teny Mangarivotra ary nentin’ny fianakaviana teny amin’ny CHU Toamasina. Raha izay, ambaran’ny mponina any an-toerana fa tena mitana fanafody mahery tokoa ireo jiolahy manao asan-jiolahy toy ny fanendahana, famakiana trano, fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina ao. Ho an’ity voalaza ery ambony ity dia tena ody aina mihitsy, ka ny zavatra mena no mitazona ny ainy. Ny faran’ny herinandro teo dia 13 ireo olona voasambotra teo amin’ny « bazary vorondolo » Ambolomadinika. Saika mpivarotra entana halatra avokoa izy ireo ka amin’ny hariva hatrany vao mamelatra entana.

Karazan’ody. Ahitana finday, fahitalavitra, fanamafisampeo eo amin’io toerana io. Halatra amin’ny alalan’ny famakiana trano ka tsy henon’ny ankohonana avokoa ireo entana amidy ireo. Ampatorian’ireo totakely ny iray trano sy ny manodidina ka tsy mahare izay ambonin’ny tany. Azo ambara kosa fa tsy nahomby ny fanafody teny amin’i Nonoh, jiolahy mitampiadina sady mpampiantrano ireo mpiara-manao fanafihana aminy. Tratra tao an-tranony ny tsanganana fanafody iray miaraka amin’ny rongony. Io dia nolazain’ny vadiny fa fanafody amin’ny aratina gorongosy ka nasitriny tany anaty akanjo ambany. Tamin’ny fanadihadiana sy ny fisavana ny tranon’i Nonoh no nilazany fa namany iray no nanome azy telo tapitrisa ariary. Io vola io no navadika fandriana miaraka amin’ny kidoro, moto vaovao roa, fahitalavitra telo, vy fotsy. Ny mahagaga anefa dia voalaza fa io lelavola io no indray lasa tamin’ny entan’ny tale iraisam-paritry ny polisy any Toamasina. Isan’ireo nanao io fanafihana io izy mialoha ny faran’ny taona. Amin’izao, valo ireo jiolahy raindahiny voatana eny amponja nandritra ny dontandroka ataon’ny saka mainty. Mahalasa saina ny maro anefa ny nahazoan’i Nino, isan’ireo jiolahy raindahiny any an-teorana, fahafahana vonjimaika. Andrasana ao Toamasina amin’izao ny hahafongana hatramin’ireo mpanao halabotry any anivon’ny fokontany onenan’ny vahoaka madinika, izay iharan’ny halatra hatramin’ny vilany sy ny fitafiana ary ny hala-botry.

Jean-Claude STEVE

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser